Donuts au sucre.
Isany: 20
Fotoana ikarakarana azy : 1h 20mn
Fotoana iketrehana azy : 20mn
Akora ilaina
- 500g farine
- 1 sachet levure Saf Instant
- 2 cuillères à soupe d’huile (afaka soloina beurre fondu)
- 2 cuillères à soupe de sucre
- 1 cuillère à café de sel
- 1,5 tasse rano mamay (afaka soloina ronono mamay )
- 4 mini-choco noir ou blanc ou au lait au choix
- Sucre glace (facultatif)

Fikarakarana donuts au sucre
- Afangaro daholo ny ingrédients rehetra, ny rano alefa tsikelikely. Mahazo pâte maina sy souple tsara dia travailler-na 10mn ho malama tsara.
- Saromana lamba ny bol misy ny pâte ary avela aminy toerana tsy azon-drivotra mandritry ny 1h. Rehefa vita ny 1h dia mitombo ny pâte.
- Zaraina 20 boules ny pâte.
- Tsindrina tsirairay aminy tanana ny boules, tsy atao manify fa fisapisaka fotsiny .
- Lohahana aminy sotrokely ny eo afovoany ary esorina ny pâte eo afovoany .
- Somary itarina amin’ny ratsan-tanana ny lavaka ary amboarina tsara ny sisiny ahazo « anneau ».
- Rehefa vita anneaux daholo avela hisy repos 30mn indray hi-aérer-na ny pâte sy hampitombo kely azy.
- Endasina, tsy atao mahery be ny afo ho masaka tsara.
- Rehefa mendy tsara toy izao izy dia masaka.
- Ampandalovina glaçage au chocolat ny tapany ambony ary rarahana sucre kely. Afaka rarahana sucre glace koa .
© Rova Andriantsoa.