Gâteau salé

Ity Gâteau salé ity dia azo atao rehefa misy fety, atao entrée froide.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 20mn

Fotoana hiketrehana azy: 30mn

Akora ilaina:

  • Ovy;
  • oignon tetehina madinika;
  • Persil voatetika madinika;
  • Mayonnaise;
  • Sesika izay tianao ohatra hoe charcuterie, na blanc de poulet (endasina miaraka amin’ny hanitra
    isankarazany);
  • Oeuf dur tetehina en rondelle;
  • Vache qui rit;
  • Beurre kely;
  • Sel, poivre;

Fiarakarana Gâteau salé

  1. Andrahoina ny ovy dia potserina izy vao mamay iny.
  2. Asina ilay beurre, fromage, sel, poivre, persil.
  3. Afangaro dia asiana ilay tongolo sy mayonnaise.
  4. Asiana papier film amin’izay ny moule rond, atao mihoatra satria ho saromana aminy izay ilay izy avy eo
  5. Asiana ilay ovy amizay ao anatiny avy eo, (3/4 ny mélange) dia asiana goaka eo ampovoany. somary lemana rano hatrany ny sotro hanalamana azy mba tsy hiraikitra. Atao ao ilay sesika, avy eo ,dia asiana ilay atody voatetika eto amboniny.
  6. Saromana aminy ilay ambina ovy toy ny manao gateau.
  7. Hosorana ny ambina mayonnaise ny tampiny.
  8. haingoy amin’ny chapelure ny sisiny. Ny tampony afaka haingoana amin’ny cornichon na olive, ketchup,maïs doux sns.
  9. Ampidiro frigo mandrapihinana.

Mazotoa ary ô !

Gateau salé portion
Gateau salé portion

Nanolotra : Mianatra mahandro

Jereo ihany koa:

Oeuf mimosa et oeuf poché basquaise