Laoka mitsitsy anio: Laisoa sy atody (Oeufs brouillés au choux). Mitovitovy amin’ilay ovy sy atody sy saosety sy atody ihany ny fomba fikarakarana azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Laisoa;
- Ail, sel, poivre;
- Atody.
Fomba fikarakarana laisoa sy atody
- Tetehina ny laisoa, endakendasina tsy atao malemy be. Asiana ail sy sel sy poivre.
- Arotsaka ny atody voakapoka. Rehefa mahazo marihitra madity dia vita.
Fanamarihana
- Tsy atao masaka be ny laisoa mba tsy ampavesatra azy satria ny atody efa mavesatra.
- Afaka tsy ampiarahina amin’ny vary fa amin’ny mofo dipaina. Ankafizin’ny ankizy loatra.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.