Ito ary no vita tamin’ilay Saonjo: Mille feuille de Taro et cervelas
Isan’ny olona: 4
Fotoan ikarakarana azy: 15 mn
Fotoana iketrehana azy : 45 mn
Akora ilaina
- Taro (saonjo),
- sel, oignon,
- coriandre,
- jus de citron,
- mayonnaise,
- cervelas,
- tomate,
- œuf,
- persil (facultatif)
Fikarakarana Mille feuille de Taro et cervelas
- Andrahoina ny saonjo, atao malemy tsara dia potserina, somary asiana an’ilay ranony madity iny ho « lisse » tsara, avy hatrany dia asiana sel.
- Afangaro amin’ny saonjo voapotsitra misy sel ny coriandre sy jus de citron misimisy sy oignon voatetika madinika sy mayonnaise.
- Tetehina « en dé » madinidinika ny cervelas.
Maka « emporte-piece », apetraka ambony lovia. Asiana saonjo ny fond, avy eo asiana cervelas. Tsindrina saonjo indray dia farany cervelas. - Esorina moramora ny « emporte-piece », apetraka ambony cervelas ny rondelle de tomate, avy eo ny oeuf dur ary ravahana persil na coriandre kely.
© Rova Andriantsoa