Filet de merlan façon meunière.
Isan’ny olona 3 personnes
Fotoana ikarakarana azy: 30 mn
Fotoana iketrehana azy: 30 mn
Akora ilaina
- 3 merlans,
- 75 g de beurre,
- 2 citrons,
- persil, sel, poivre,
- 50 g de farine
Fikarakarana filet de merlan façon meunière
Desosser le poisson (fomba fanalana ny taolana): Triarina eo amin’ny lamosiny amin’ny lafiny 2 ny trondro, atao mahazo hatrany amin’ny kibony ka asisika misosa ny antsy. Ny tanjona dia ny hanalana ireo aretes dorsales (taolana mitsangatsangana eo amin’ny lamosina) sy ilay arete centrale (taoloam-be anaty trontro). Tapahana eo amin’ny lohany ilay taolana ary eo amin’ny rambony. Ny taolana madinika mora esorina sotomina amin’ny pince à épiler.

Rarahana jus de 1 citron ireo trondro amin’ny lafiny rehetra ary avela hilona 10mn. Avy eo somary eponger-na amin’ny essuie-tout. Asiana sel sy poivre dia avela hilona 10mn indray.

Ampandalovina farine ny trondro, atao vonto tsara.

Empoina anaty vilany na lapoaly ny beurre. Apetraka ny trondro, avela hendy ny face iray (afo antonony).

Rehefa dorée ny face iray dia avadika ary avela ho dorée indray ny face iray. Rarahana jus de 1 citron indray sy persil. Raha tiana hisy sauce kokoa dia ampitomboina ny beurre.

Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa