Ny vomanga sy ny voka-tsoa entiny

Ny vomanga dia miaro amin’ny homamiadana no sady mampalefaka volo.

Manomboka izao dia samia mividy azy io fa tena misy voka-tsoa entiny. Ahitana singa mahasoa betsaka izy io. Ao anaty vomanga 100g dia ahitana:

  • proteine 2,9g ;
  • siramamy 42,5g ;
  • menaka 0,5g ;
  • ary kalorie 182 kilocal .

Na dia efa andrahoina aza dia mbola miraikitra ny vitamine A sy C betsaka ary ny mineraly.

Fataro ihany koa fa ny raviny mbola tanora dia ahitana vitamine A sy C .

Ny vomanga sy ny aretina arovany

Manampy betsaka amin’ny famerenana ny mety hahazoana ireo karazan’aretina mifandraika amin’ny fahanterana izy io. Anisan’izany ny homamiadan’ny vihin-dahy, ny aty, ny nono, sns.

Miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-dra ihany koa izy .

Voalaza fa mahatongan’ny insuline ho mora raisina ny fihinana vomanga fotsy. Arak’izany ihany koa dia tsara izy ty hoan’ny olona voan’ny diabeta type 2. Vomanga fotsy izany no tsara hoan’olona marary fo sy ny diabeta type 2 satria mandritra tsara ilay atao hoe Taux de glycémie.

Ny vomanga sy ny fanapoizinana ara-tsakafo

Akoatrizay dia miaro amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo na allergie ara-tsakafo ihany koa dia toy izao no hatao:

  1. Kikisana ny vomanga lena. Atao izay hazahoana 2 sotro lehibe dia asina menak’oliva 1 sotro lehibe fihinana dia iny no indray hohanina. Fa tsy hanahy ianao.
  2. Ny kohadavareny (tsy haiko ny dikany fa ahitsio ny anarany amin’ny teny hafa) dia maka ireny tsirina-vomanga ireny 1 tanana feno tsara ary arotsaka anaty rano 1l mafana miaraka amin’ny ravinafary 1m dia sasana ka ampangotrahana 5mn. Io no sotroina 1 kopy maraina /atoandro/hariva mandritran’ny herinandro.

Ny volo tsy mila defrisage

Eo amin’ny lafiny hatsarana indray dia betsaka antioxidant ny vomanga. Io singa io moa dia miaro amin’ny fahanterana aloha lotra. Ampiasao amin’ny volo izy ity fa mampalefaka sy manome aina ny volo. Mitsabo ihany koa ka toy izao no hatao :

Akora ilaina

  • Ravimbomanga 6isa;
  • Ankondro 1 masaka tsara;
  • Atsasaka zavoka masaka tsara;
  • Tantely 1 sotro kely;
  • Rano matymaty ,1,5l.

Fomba fikarakarana azy

  1. Alonao anaty rano 6 ora aloha ilay ravimbomanga dia potsero ny zavoka sy ny akondro ary ny tantely.
  2. Mixeo tsara ireo fangaro ireo ary avelao ao anaty vata fampangatsiahana indray alina vao ahosotra ny hodi-doha sy ny tendrombolo.
  3. Avy eo dia avelao hilona 50mn farafahakeliny vao kobanina amin’ny lay ranon’ilay ravimbomanga. Azonao ampitomboina ny fatranilay rano.

Tsara raha averina indroa isan-kerinandro mandritran’ny iray volana fa tena mampalefaka sy miaro ny volo tokoa.

Nanolotra : bebe Tsa Be Tarogna , notsongaina tao amin’ny vondrona Diary (ny lasa tsy mba fanadino).

Jereo ihany koa :

Patate frite na vomanga endasina

Mofo mangahazo à la cannelle

Cet article a été écrit par Gaël RAKOTOVAO

Salut, c’est Gaël R., Ingénieur et responsable de projet chez Mada Creative Agency. Je suis spécialiste en marketing digital certifié par Google : 12 ans d'expérience maintenant dans le domaine du Référencement Naturel SEO. Je peux vous former en SXO (SEO + expérience utilisateur UX, c'est la nouvelle tendance en référencement web). Si vous êtes TPE/PME, je peux vous aider à développer votre présence en ligne sur le web. Si vous êtes tombés sur cette page, c'est que ça marche, non ;). Aussi, je rédige régulièrement du contenu et des actus. Ma passion c'est : - la photographie, , d'ailleurs vous pouvez voir mon portfolio de paysages de Madagascar sur cette page sur istock. Je peux également vous former aux techniques de photographie + post traitement sous Lightroom. - les crypto-monnaies : je peux vous former au minage de crypto-monnaies, c'est plus ma spécialité. - le voyage : eh bien, je suis guide touristique attesté par le Ministère du Tourisme. N'hésitez pas à me contacter par courriel : rakotovao.gael@gmail.com ou au Téléphone : +261 (0) 32 82 372 94 . A bientôt !

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *