Mety misy mbola tsy mahita hevitra sakafo ve ao? Ity ary sady sakafon’ny maika no sakafon’ny kamo. Riz garni à la saucisse fumée.
Isan’ny olona: 4 personne
Fotoana ikarakarana azy : 5 mn
Fotoana iketrehana azy : 15 mn
Akora ilaina
- saucisse fumée,
- riz,
- tomate, oignon,
- sauce soja (facultatif),
- huître (facultatif),
- ciboulette, coriandre.
Fikarakarana riz garni à la saucisse fumée
- Andrahoina misiratsiraka ny vary dia atokana.
- Manao sauce tomate sy oignon misimisy. Atotsaka ny saucisse fumée voatetika en dés. Endakendasina 5mn. Azo asiana sauce soja sy sauce huitre kely avy eo ra tiana.
- Afangaro amin’ny vary ireo dia asiana ciboulette sy coriandre.
Fanamarihana
Ity recette ity dia afaka ampiana omelette voatetika lavalava sy champignons noirs sy carottes ary haricots verts raha misy.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa
