Recette de saucisse aux légumes façon ratatouille. Azo atao laoka amin’ny andavanandro.
Isan’ny olona: 4 personne
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 30 mn
Akora ilaina
- saucisse,
- ail, oignon,
- carottes,
- haricots verts,
- eau,
- sel, poivre,
- poireau,
- aubergine,
- courgette,
- poivron,
- tomate
Fikarakarana Saucisse aux légumes façon ratatouille
- Andrahoina amin’ny rano kely ny saucisse, avela hitera-menaka sy ho mendimendy dia atokana.
- Anatin’iny menaka iny ihany no endakendasina ny ail sy oignon.
- Arotsaka araka ny hamafiny ny legumes: carottes sy haricots verts aloha dia asiana rano kely sy sel ary poivre. Rehefa hita masaka nefa mbola croquants ireo dia arotsaka ny poireau sy aubergine ary courgette. Vao hita masamasaka indray ireo dia arotsaka ny poivron sy tomate voatetika vaventy.
- Avela hiketrika 3 mn dia bataina.
- Arotsaka ny saucisses mendy, avela hisarona 2mn dia azo aroso.

Fanamarihana
Tsy atao be rano ary tsy saromana dia mijanona croquants ny legumes. Rehefa tonga eo amin’ny étape hoe legumes mitera-drano dia atao mahery ny afo.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa.