Sakafo tsy misy hena anio: vary sy korizety.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 40 mn
Akora ilaina
- Vary 4 kapoaka
- Korizety 4 lehibe
- Voatabia 4
- Tongolo gasy hasiny 4
- Persila fehezany 1
- Sira izay tiana
- Menaka 3 sotro

Fomba fikarakarana vary sy korizety
- Sasana sy borosina ny korizety dia tetehina vaventiventy.
- Sasana ihany koa ny voatabia.
- Avy eo dia sasana madio ny vary.
- Andrahoina miaraka amin’ny korizety sy voatabia ny vary.
- Tonga dia asiana sira ka atao vary maina.
- Rehefa kely sisa tsy ho masaka ny vary dia asiana tongolo gasy sy persila voatetika.
- Rehefa masaka dia rarahana menaka amin’izay.