Baranjely nendasina mikarepoka tsara

Betsaka ny olona tsy dia tia laotra an’ity baranjely ity. Ito aza misy fomba anakiray mety mba ho tsara iany : Baranjely nendasina mikarepoka tsara.

Akora ilaina

• Baranjely 1
• Ravina “basilic”
• Fraomazy 150g
• Fraomazy efa voakiky 120g
• Atody 2
• Lafarinina 80g
• « Chapelure » 80g
• Menaka 300ml
• Saosy voatabia 200ml
• Sira sy dipoavatra

Fomba fikarakarana Baranjely nendasina mikarepoka

1. Tetehina boribory ny baranjely dia asiana sira ary avela hipetraka kely aloha.
2. Apetraka eo ambony taratasy mitroka rano no tena mety ary fafana mihitsy rehefa tena hikarakara azy.
3. Tetehina ny « basilic ». Afangaro ny fraomazy sy ny atody iray.
4. Apetraka eo ambonin’ireo baranjely ireo fangaro ireo ka rakofana baranjely eo amboniny. Aorian’izay dia ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora iray.
5. Araraka ao anaty lovia jobo tsirairay ny lafarinina, ny atody sy ny « chapelure ». Rehefa tena hanendy dia arotsaka tsirairay ao anatin’ireo akora ireo ny baranjely, ka atomboka any amin’ny lafarinina izany.
6. Hafanaina ny menaka ka endasina ny baranjely. Tsy atao may be loatra. Tsihifina eo ambony taratasy mitroka menaka.

Endasina ny baranjely
Endasina ny baranjely

Mazotoa ary ô!

Nanolotra : Nadine Fanja Hanitiriniala

Jereo ihany koa:

Beignets d’aubergine

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *