Bûche de Noël au chocolat de Madagascar

Bûche de Noël au chocolat de Madagascar mora karakaraina.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 25mn

Fotoana hiketrehana azy: 45 mn

Akora ilaina

  • Atody 06
  • Tamenak’atody 03
  • Lafarina 120g
  • Chocolat fonosana 01 lehibe
  • Siramamy 120g
  • Sucre glace 120 g
  • Sira iray tsongo
  • Dibera 250 g

Fomba fikarakarana Bûche de Noël

  1. Saraho ny tamenaka sy ny tapotsin’atody amin’ireo atody 06 ary afangaroy amin’ny sucre en poudre ireo tamenak’atody ireo ka kapohina mandrapaha fotsy azy.
  2. Alaivo kosa ny tapotsin’atody ka kapohy torakizay ary ampio sira iray tsongo mba hampiakatra tsara azy.
  3. Afangaroy indray ny lafarinina sy tamenak’atody efa nafangaro sucre en poudre tetsy ambony.
  4. Ary alefa ao anatin’io fangaro io tsikelikely ny tapotsin’atody efa nokapohina tsara.
  5. Ararao eo ambony plaque fanao anaty lafaoro ireo fangaro rehetra ireo ary handrahoana anaty lafaoro mandritra 10 mn.
  6. Rehefa tapitra izay fotoana izay dia avohay ary endaho moramora.
  7. Avy eo dia atsonika atao anty bain marie ny chocolat ao anaty lovia baolina ary atambatra ao ny sucre glace fa amelana kely hanaovana ny haingony sy tamena’atody 03 ary ny dibera.
  8. Araraka etsy ambonin’ilay mofo etsy ambony ny atsasak’io fangaro rehetra io, ahodina tsikelikely mba hahazo rouleau ny mofo sy ny fangaro miaraka aminy.
  9. Rehefa vita boribory tsara dia araraka tsara eo amboniny indray ilay ambin’ny fangaro atao haingony.
  10. Rarafana ilay ambina sucre glace ka asiana haingony.
Buche de noel exotique
Buche de noel exotique

Mazotoa homana!

Nanolotra : Association Idealy