Ity misy fomba anakiray afahana mikarakara Camarons grillés (na gambas grillé). Tamin’ny nanao vacance tao Mahajanga no nahita ity recette gambas au barbecue ity.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 30 mn
Akora ilaina
- Camarons;
- Menaka, sira, poivre;
- Tongolo gasy, sakamalao, kotomila.
Fomba fikarakarana Camarons grillés

- Alaina ny camarons dia sasana madio tsara aloha.
- Mampangotraka rano misy sira dia ajoboka ao ilay camaron mba hisy sira.
- Tontoina ny tongolo gasy sy ny sakamalaho.
- Tetehina madinika ny kaotimila dia afangaro tsara ireo.
- Zaraina roa ilay sakamalaho sy tonglogasy voatoto ary ilay kaotimila dia atao amin’ny ilay camaron avy nampangotrahana.
- Alefa ao anaty boaty misarona ireo ka hajanona elaela ao anaty frigo alohan’ny hanatonoana azy.
- Rehefa vita izay rehetra izay dia hosorana menaka kely ilay izy vao hatono.
Mazotoa homana!
Fanamarihana
- Ra mahavita dia somary sokafana kely amin’ny antsy eo amin’ny kibony dia ampio sauce soja sy sucre kely ny macération. Tonga dia afaka asiana sira amin’izay izy.
- Afaka mikarakara mayonnaise kely ihany koa hoanina miaraka aminy rehefa vita ny grillade.
- Hoanina miaraka amin’ny crudité dia asiana citron kely tonga dia mafilotra tsara.
