Ity ndray ary ny gouter kely hoantsika androany izay sahirana mitady. Mangahazo endasina tsara be sady mora atao.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 60 mn
Akora ilaina
- Mangahazo lena
- Sira, rano, menaka.
Fomba fikarakarana Mangahazo endasina

- Alaina ny mangahazo lena dia vohasana dia sasana madio.
- Tetehina lavalava tsy dia madinika loatra ka andrahoina ho masamasaka fotsiny.
- Tonga dia ampiana sira ilay mangahazo rehefa andrahoina.
- Rehefa masamasaka dia esorina amin’izay dia tsihifina tsara ny rano.
- Afanaina ny menaka ka rehefa mafana dia arotsaka ao ilay mangahazo avy nandrahoina.
- Rehefa voahendy ny mangahazo dia manomana lasary izay tiana ohatra: lasary karaoty ; lasary manga; lasary papay sns… hoanina miaraka aminy avy eo.
Mazotoa homana!
Fanamarihana
- Misy ny recette any amin’ny faritra Majunga sy Maintirano dia atao saosy ilay mangahazo rehefa hohanina amin’ny zavatra masira.
- Afaka ampiarahina amin’ny saosy voanjo kely.
- Afaka asiana curry kely ihany koa ilay mangahazo mba ahazoana couleur jaune.
- Azo ampiarahina amin’ny trondro endasina ihany koa.
