Ity indray ny laokantsika androany : trondro frity. Tsotra sady mora ny mikarakara azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 40 mn
Akora ilaina
- Trondro toy ny tilapia na merlan.
- Sira , menaka, poivre;
- Farine;
- Citron

Fomba fikarakarana trondro frity
- Kikisana ny trondro dia sasana madio tsara avy eo.
- Rehefa avy diovina ny trondro dia asiana sira sy poivre sy citron kely dia akasoka anaty vovoka farine kely aloha.
- Afanaina ny menaka dia arotsaka avy hatrany ny trondro miosotra farine rehefa mafana tsara ilay menaka.
- Avadibadika mandrampahendy azy ilay trondro dia vita.
- Rehefa vita izay rehetra izay dia manomana ro mazava kely ho fanampiny. Toy ny ron’angivy sy ronina ravim-bomanga sns…
Mozotoa homana!
Fanamarihana
- Mba tsy hampiala ilay nofon’ilay trondro dia izay no atony hanosorana farine kely azy fa mety ihany koa arakarak’ilay trondro ra tsy ampiana farine fa tonga dia endasina amin’izao fotsiny.
- Afaka manomana lasary legume kely ihany koa ampiarahana amin’ilay trondro voahendy.
- Tsara ihany koa ny manao karazana jus toy ny jus carotte, jus papay sy sns… dia ampiarahana amin’ny ovy frity.
