Ny sakamalaho na sakay tany

Maro be ireo tombotsoa azo avy amin’ny fampiasa sakamalaho na sakay tany. Ireto manaraka ireto misy santionany amin’izany.

Eo amin’ny sakafo andavan’andro

Ireo tombotsoa azo avy amin’ny fampiasa sakamalaho na sakay tany eo amin’ny lafin’ny fahasalamana

  • Atao ody kohaka ka afangaro amin’ny tantely sy dibera ary citron.
  • Ahosotra amin’ny volo ny ranony, sady mampaniry no mapatevina volo ary manala angadrano.
  • Tena tsara hoan’ny mpifoka sigara ny mihinana azy isan’andro.
  • Raha olona handeha lavitra dia tsara ny mandona sakamalaho anaty bocale dia asiana vinaigre blanc dia tsakoina eny andalana mba tsy hampandoha ilay olona tsy mahazaka lalana lavitra be loatra.
  • Mety tsara koa hoan’ny mpanotra afangaro amin’ny diloilo.
  • Atao anti-inflamatoire ka atao infusion no fampiasaina azy.
  • Mahafaka areti-kibo ihany koa ny fampiasaina azy io. 

Fanamarihana

Afaka atao ny mitoto betsaka dia asiana tantely dia tehirizina anaty bocale ao anaty frigo. Sotroina amin’ny rano mafana no tsara sady asiana tetika citron.

Sakamalaho na sakay tany
Sakamalaho na sakay tany

0 commentaire sur “Ny sakamalaho na sakay tany”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *