Aza izy be carottes io no jerena fa masiaka be io. Nisy nangataka recette sakay somary miala amin’ny mahazatra. Ito ary ny carottes pimentées.
Isan’ny olona: 4 personnes
Fotoana ikarakarana azy: 5 mn
Fotoana iketrehana azy: 10 mn
Carottes pimentées
Akora ilaina
- carottes,
- huile,
- ail, gigembre, sel, poivre, oignon,
- curry,
- curcuma,
- vinaigre,
- piment.
Fikarakarana carottes pimentées
- Rapena madinika ny carottes dia arotsaka anaty lapoaly efa misy menaka mafana kelikely.
- Rehefa masamasaka ny carottes dia arotsaka ny ail sy gingembre sy sel sy poivre sy oignon sy curry na curcuma sy vinaigre.
- Rehefa ritra ny vinaigre dia arotsaka ny sakay dia endakendasina tsara.
carottes pimentées
Fanamarihana
- Ampiarahana amin’ny tonon’akoho, aoka fotsiny.
- Ampiarahina amin’ny sakafo andavanandro ihany koa, matsiro ery.
- Ny sakay tsara ampisaina eto dia pilokely. Ny tsilandimilahy manitra be saingy tsy dia tsara ho an’ny vavony. Misy vovo-tsakay pilokely ireny no tena mety.
Mazotoa homana!
Veuillez noter l'article :

Gaël Rakotovao, ingénieur d’études et d’exploitation puis diplômé de l’École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo et actuellement CTO chez Mada Creative Agency, est également photographe passionné spécialisé dans les paysages, la culture et la cuisine malgache. Il cumule plus de 15 ans d’expérience en marketing digital, SEO, formation (SEO, photographie, crypto‑minage) et exerce aussi comme guide touristique certifié par le ministère du Tourisme autour de Madagascar.