Crème Dessert fait maison

Crème Dessert fait maison amin’ny fomba malagasy.

Isan’ny olona: 6

Fotoana ikarakarana azy: 20 mn

Fotoana iketrehana azy : 4h

Akora ilaina

  • 3l de lait
  • Siramamy 300g
  • 300g de farine
  • 300g de beurre
  • parfum : vanille et pistache (facultatif)
  • fruits : pêche ou fruit de la saison (facultatif)

 

Fikarakarana Crème Dessert fait maison

  1. Empoina amin’ny afo malefaka ny beurre.
  2. Arotsaka ny farine, aroina amin’ny fouet hifangaro tsara ahazoana « roux ».
  3. Avy eo dia arotsaka tsikelikely aloha ny lait ka rehefa tsy misy mitambaingana dia arotsaka daholo sady aroina amin’ny fouet tsy hisy mitambaingambaingana dia arotsaka daholo. Aroina foana mandra-pangotraka sy marihidrihitra. Zaraina 2 anaty bols dia samy asiana parfums raha misy. Ny sucre arotsaka aorian’ny lait.
  4. Arotsaka anaty lovia lehibe jobo na bol lehibe na « plat a gratin » ilay atsasaky ny creme (parfum vanille) dia avela hangatsiaka tanteraka ary alahatra ny fruits.
  5. Arotsaka ambony paiso indray ny creme ambiny (parfum pistache) dia avela hangatsika tanteraka.
  6. Rehefa mangatsika tsara dia alahatra indray ny paiso. Ampidirina frigo 4h.
Crème Dessert fait maison
Crème Dessert fait maison

© Rova Andriantsoa