Gâteau mangahazo à la vanille. Mba miova kely amin’ny genoise sy pate vazaha ndray.
Isan’ny olona : 5
Fotoana ikarakarana azy : 20mn
Fotoana iketrehana azy : 45mn
Sommaire
Akora ilaina
- Mangahazo ( 1kg) manta rapé. Sasana rehefa voakiky dia tsihifina hialàn’ilay poizina mankarary vavony.
- Siramamy 150g + 100g (pour caramel).
- Atody 4.
- Beurre voempo 150g.
- Crème fraiche 200ml.
- Sira indray mitsongo.
- 1/2 sachet de levure chimique.
- Noix de coco 50g.
- Poudre d’amande 50g (facultatif).
- 1 gousse de vanille (lay poudre ao anatiny no ilaina dia atao déco ny tahony avy eo).
Fomba fikarakarana Gâteau mangahazo à la vanille
- Kapohina miaraka ny atody sy siramamy 150g, alefa ao ny beurre, crème, sira, levure, noix de coco, poudre d’amande, poudre de vanille, mangahazo voakiky avy notsihifina.
- Afangaro tsara ireo rehetra ireo.
Manao caramel amin’ilay siramamy 100g. Tsy atao madity be ilay caramel fa manjary lasa mafy be. - Tampohana rano dia avela hifangaro tsy haroina ka rehefa mahazo loko tsara dia araraka anaty moule izay vao alefa ny fangaro mangahazo.
- Ampidirina four 170° mandritra ny 45mn dia avela hangatsika vao démouléna.
- Décoréna amin’izay itiavana azy.

Fanamarihana
- Beurena kely ny moule mba hahamora ny démoulage amzay tsisy miraikitra mihitsy.
Mazotoa.
Nanolotra : Vola Rakotovao