Ity recette ity dia atao hoe mofo anana anefa tsy misy anana akory. Afaka atao ao anaty mofo-dipaina dia atao gouter hoan’ny ankizy.
Mofo Anana
Isan’ny olona: 4 personnes
Fotoana hikarakarana azy: 25 mn
Fotoana hiketrehana azy : 10 mn
Akora ilaina
- 3 œufs,
- sel, poivre, huile,
- 350 g de farine,
- 50 cl d’eau,
- tomates, oignons,
- coriandre, ciboulette,
- citron (facultatif).
Mofo anana
Fikarakarana mofo anana
- Kapohana ny 3oeufs sy sel sy poivre. Rehefa be atody izy dia tsy mifoka menaka be.
- Arotsaka ny 350g de farine sy 50cl d’eau. Izany hoe tsy atao madity be.
- Arotsaka ny tomates sy oignons misimisy voatetika madinika sy coriandre ary ciboulette. Avela hilona 15mn dia endasina. Tsy mila menaka betsaka.
- Ampiarahana amin’ny citron sy carottes pimentées.
Fanamarihana
- Azo asiana levure chimique.
- Azo asiana tamotamo na carry ihany koa.

Mazotoa omana ary ô!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.
Veuillez noter l'article :

Gaël Rakotovao, ingénieur d’études et d’exploitation puis diplômé de l’École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo et actuellement CTO chez Mada Creative Agency, est également photographe passionné spécialisé dans les paysages, la culture et la cuisine malgache. Il cumule plus de 15 ans d’expérience en marketing digital, SEO, formation (SEO, photographie, crypto‑minage) et exerce aussi comme guide touristique certifié par le ministère du Tourisme autour de Madagascar.