Izay kely eo am-pelatanana no amboarimboarina hampifaliana ny tokantrano, ireto indray no vita anio: riz aux légumes nampiarahina tamin’ny steak chinois sy salade de tomates et poivrons.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 30 mn
Fotoana hikarakarana azy: 1h et 15 mn
Akora Ilaina
- Carottes,
- haricot-verts,
- oignons,
- ail, sel, poivre,
- Curry (colombo),
- riz, huile,
- gingembre,
- 4 épices,
- sauce soja,
- fécule,
- viande de boeuf (faux filet, tranche fine etc.)
- tomates,
- poivrons.
Fomba fikarakarana riz aux légumes

Riz aux légumes: Endasina ny carotte sy haricot verts sy oignon sy ail. Asiana curry (na koa colombo) dia afangaro ny vary efa masaka.
Steak Chinois: Lomana adiny 1h amin’ny ail sy gingembre sy 4 épices sy sauce soja, sy sel, sy poivre, sy huile, sy fecule ny nofon-kena. Endasina tsy mendy avy eo.
Salade de tomates et poivrons: Atao vinaigrette ny tomates sy oignons sy poivrons.
Fanamarihana
- Azo soloina vinaigre ny fécule.
- Pour 250g de viande, 1 cas ny vinaigre mampalemy ny hena.
- Colombo= mélange oignon, coriandre, curcuma, ail, gingembre. Misy eny amin’ny grandes surfaces rehetra.

Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.