Saosisy sy sosety : laoka tena tsara ny sosety afangaro amin’ny saucisse (so6 + so7 = so13 hoy ireo mpampiomehy). Ito ary misy fomba iray afahana mikarakara azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 10 -15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 60 mn eoeo arakaraka ny afo.

Akora ilaina
- Sosety ;
- Voatabia, tongolo, rano ;
- Saosisy gasy;
Fomba fikarakarana saosisy sy sosety
- Voasana ny sosety dia tetehina somary madinidina (atao carré).
- Andrahoina amin’ny rano kely ny saosisy gasy dia avela hiendihendy fa miteramenaka iny rehefa ritra ilay rano.
- Rehefa mihendy tsara ny saucisse dia esorina amin’izay aloha ka ajanona ao ilay menaka avy amin’ilay saucisse.
- Endasina amin’ilay menaka avy amin’ny saucisse ny votabia sy tongolo avy eo.
- Arotsaka ao amin’ilay saosy voatabia sy tongolo amin’izay ilay sosety voatetika sy ilay saosisy voahendy dia tampohana rano kely avy eo fa tsy atao be lotra.
- Avela hiketritra ela ela kely eo dia tsy ritina be loatra fa atao somary ketsaketsa dia vita.
Mazotoa homana!

Fanamarihana
- Afaka atao saosy curry; tongolo maintso; tongolo gasy ihany koa rehefa mahandro azy fa atao ridritra fotsiny.
Jereo ihany koa
Recette de henakisoa sy voanjobory ary saosisy – Pois bambara à la viande de porc