Korizety sy atody amin’ny endriny hafa kely mampazoto homana : azo atao laoka na koa azo atao goûter hoan’ny ankizy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 40 mn
Akora ilaina
- Korizety 1/2 kg
- Atody 03
- Fromazy voakiky 1 kaopy
- Persila voatetika 03 sotro
- Menaka 03 sotro
- Tongolo gasy hasiny 04, voatetika
- Sira izay tiana

Fomba fikarakarana korizety sy atody
- Borosina ny korizety dia tetehina madinika.
- Afangaro amin’ny baolina be iray ny korigety, fromazy, ny kikimofo, ny persila, tongolo gasy sy ny sira.
- Kapohina ny atody dia araraka araka ny voalaza teo aloha.
- Hosorana menaka ny lasitra iray dia araraka amin’ny korizety sy ny fangarony.
- Rarahana menaka kely eo ambony dia andrahoina ao amin’ ny lafaoro 40 mn.
- Azo tetehina rehefa masaka.

Mazotoa homana!