Lasopy malagasy, hoentina hanafanana vatana amin’ny izao ririnina izao. Mitovitovy amin’ilay recette soupe chinoise gasy ihany.
Sommaire
Lasopy malagasy
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy : 15 mn
Fotoana iketrehana azy : 10 mn
Akora ilaina
- Paty gasy
- gingembre, sel, poivre
- nofo kisoa, akoho, nofon-ken’omby,
- atody
- champignons noirs
- coriandre, ciboulette
- rano
Fikarakarana Lasopy malagasy
- Andrahoina amin’ny rano betsaka ny paty gasy. Tsy atao malemy be ary tsy ariana ny rano nandrahoina azy.
- Asiana gingembre misimisy sy sel ilay rano nandrahoina ny paty dia avela hangotraka tsara.
Endasina ny nofo-kisoa na omby na akoho nasiana sel sy poivre dia arotsaka anaty ron-dasopy. - Manao omelette dia tetehina lavalava, toy izay koa ny champignons noirs ary arotsaka ao anaty ro. Avela hiketrika kely.
- Rehefa hihinana dia arotsaka ny paty, rarahana coriandre sy ciboulette.
Fanamarihana
Raha toa ka misy fofona otrany bouna zay ilay paty gasy dia ity misy astuce kely analana izany: tsy tonga de andraoina fa velarina ambony sahafa dia atanina andro na avela azondrivotra vetivety de tsy manin tsony. Marihina fa ilay farine ampiasaina amin’ilay paty gasy no mahatonga zany.
Mazotoa homana!
Veuillez noter l'article :