Chou farci

Chou farci amin’ny fomba nahandro gasy indray. Arakaraka izay itiavana azy na ritra na misy sauce.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana : 40 mn

Akora ilaina

 

  • Chou (laisoa),
  • chair à saucisse,
  • tomates,
  • oignon,
  • sel, poivre,
  • coriandre, ciboulette,
  • 1 verre d’eau,
  • huile

 

Fikarakarana chou farci

 

  1. Esorina tsirairay ny ravin-daisoa. Raha somary enjana ny laisoa dia ampangotrahana 20mn vao esorina ny raviny.
  2. Afangaro ny chair a saucisse sy tomate sy oignon sy sel sy poivre sy coriandre (kotomila) ary ciboulette (tongolo maitso).
  3. Asiana farce ny ravin-daisoa tsirairay ary akatona toy ny valopy.
  4. Tetehina ny ambina laisoa ilay eo amin’ny fony iny.
  5. Afanaina ny menaka, atao lafika ny laisoa voatetika ary alahatra eo amboniny ny choux farcis. Asiana rano 1 verre dia saromana ho masaka.

 

Fanamarihana

 

  • Mbola manta ireo farces no natao anaty ravindaisoa fa tsy efa masaka sauté akory.
  • Azo atao koa hoe vary manta sy totokena no hatao farci amin’ny ravina laisoa ka izao no fanaovana azy:
    1. Asina rano kely tsy miotra azy.
    2. Asina tongolo gasy tsy voatetika mivofy eo amboniny.
    3. Azo raraha citron rehefa ho masaka. MALFOFO no fiantsoana azy.
    4. Zay hanitra tinao hampiasaina no hatao amin’ny vary sy totokena.
    5. Tsara fofona raha raharana solila maina voatoto eo amboniny le laisoa efa voa farci.

©Rova Andriantsoa