Ovy sy atody

Zao no atao eo rehefa irery ato an-trano, hoy ilay namana iray izay hoe « cuisine du reste de frigo et du placard »: Ovy sy Atody. Afaka ampiarahina amin’ny salade anandrano ra toa ka kamo ahandro vary.

Isan’ny olona: 1

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana azy: 5 mn

 

Akora ilaina

 

  • Pommes de Terres (Ovy),
  • oeuf (atody),
  • oignons, sel, poivre, huile

Fikarakarana Ovy sy atody

 

  1. Tetehina en rondelles fisaka ny ovy dia endasina amin’ny menaka kely, tsy atao mahazo loko be.
  2. Rehefa hita fa masaka ny ovy, arotsaka ny oignons voatetika en rondelles sy sel sy poivre ary endakendasina miaraka amin’ny ovy.
  3. Arotsaka ny atody voakapoka dia avadika rehefa mitambatra na saromana kely raha tsy tiana ho mendy be ny atody.

Mazotoa homana!

Ovy sy atody
Ovy sy atody

© Rova Andriantsoa