Tsy asiana hena indray aloha, voatavo sauce no atao laoka anio.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 25 mn
Fotoana hiketrehana azy: 60 mn
Sommaire
Akora ilaina
- Tomate, oignon
- Sel, poivre
- Voatavo
- Rano
- Ail

Fomba fikarakarana Voatavo sauce
- Manao sauce tomate sy oignon.
- Avy eo arotsaka ny voatavo, ny sel ary ny poivre dia ampiana rano.
- Avela ho masaka sy ho potika tsara.
- Rehefa akaiky ho ritra dia arotsaka ny ail misimisy.
- Avela hiketrika kely dia vita.
Fanamarihana
- Afaka asiana kotomila kely mba hampamanimanitra azy.
- Tsara be io raha asiana totom-boanjo.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa