Laoka anio: Ron’akoho sy angivy ary anamalaho (bouillon de poulet) ampiarahina amin’ny sakay be endasina.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 25 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Ron’akoho sy angivy ary anamalaho
Akora Ilaina
- Akoho;
- Sira;
- Angivy;
- Anamalaho;
- Sakay be;
- Tongolo sy voatabia.
Fomba fikarakarana ron’akoho sy angivy ary anamalaho
Ron’akoho sy angivy ary anamalaho: tenehina halemy ny akoho sy sel. 5mn alohan ny androsoana azy dia arotsaka ny angivy sy anamalaho.
sakay be endasina: endasina 2mn ny sakay, asiana sel sy poivre. Arotsaka ny tomate sy oignon. Tsy atao masaka be. Aroso avy hatrany.
Fanamarihana
- Esorina foana ny voan’ny sakay alohan’ny anendasana azy fa tsy mahasalama.
- Ny vaha-olana ra toa ka tia sakay na epice be ianao anefa tsy mahazaka fa misy mony foana isaky ny avy mihinana dia ny fisotroana rano betsaka. Ra toa mbola tsy afak’izay dia tsara ra manantona dermatologue avy hatrany.
Mazotoa homana!

Gaël Rakotovao, ingénieur d’études et d’exploitation puis diplômé de l’École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo et actuellement CTO chez Mada Creative Agency, est également photographe passionné spécialisé dans les paysages, la culture et la cuisine malgache. Il cumule plus de 15 ans d’expérience en marketing digital, SEO, formation (SEO, photographie, crypto‑minage) et exerce aussi comme guide touristique certifié par le ministère du Tourisme autour de Madagascar.