Recette d’improvisation izy ity: spaghetti sauce rose. Ilay sauce rose dia vita avy amin’ny sauce bechamel sy tomate.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 20 mn
Akora ilaina
- 500 g de pâtes,
- 100 g de beurre,
- 75 g de farine,
- 1l de lait,
- sel, poivre, muscade,
- 3 portions de fromage (vache qui rit ou Teama),
- tomates,
- ciboulette,
- 1 oeuf,
- charcuterie (facultatif).
Fikarakarana spaghetti sauce rose
- Andrahoina ny pates 500g dia atokana.
- Sauce: empoina ny 100g de beurre, arotsaka ny 75g de farine. Natao kelikely ny farine satria mila matsoratsora ny sauce. Afangaro tsara. Arotsaka ny 1l de lait manta na masaka sy sel sy poivre ary muscade rapée kely. Aroina mandra-parihitra sy mangotraka kely.
Arotsaka ny 3 portions de fromage Teama (na vache qui rit) dia avela hiempo. Arotsaka koa ny tomate voavaofy dia aroina hatrany mandra-paha masaka ny tomate. - Atao ambony lovia ny pates, rarahana sauce mafana sy ciboulette, asiana omelette voatetika lavalava na koa charcuterie.
Fanamarihana
Azo ampisaina tsara eto ny tomates en conserve, zany hoe ra toa ka tsy mahandry ilay tomate ho levona tsara: ny tomates en conserve tiana tenenina eto dia tsy tomates en boîte, fa tomates mixées dia somary ritina miaraka amin’ny siramamy kely, dia atao anaty bocal ary tehirizina anaty frigo.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa.
