Laoka anio: Boulettes chinoises aux poivrons.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- nofo-kena 250g,
- atody 1,
- céléri 2 càs,
- soja 2 càs,
- fécule de manioc 2 càs,
- sucre 1 càc,
- sel 1 càc,
- poivre,
- huile, eau,
- tomate, oignon, poivre,
- poivron.
Fomba fikarakarana boulettes chinoises aux poivrons
- Boulettes: miaraka mixer-na ny 250g nofo-kena sy 1 oeuf sy 2 càs de céléri voatetika madinika sy 2 càs de sauce soja sy 2 càs de fécule de manioc sy 1 càc de sucre sy 1 càc de sel ary poivre. Volavolaîna boribory (osorana huile ny tanana). Arotsaka anaty rano mangotraka ka vao mitsingevana dia tsihifina. Endasina kely amin’ny huile avy eo.
- Rehefa mandina ny boulettes, dia arotsaka ny tomate sy oignon sy poivron sy sel ary poivre. Tsy atao masaka be.
Fanamarihana
Momba ny mixeur: ilay mixeur fanaovana jus ireny dia tsy mety fa ilay misy lame fitotoan-kena mihitsy no mety amin’ny sakafo toy itony.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.