Crêpe au poulet à la sauce Bechamel

Crêpe au poulet à la sauce Bechamel.

Isany: 15

Fotoana ikarakarana azy : 2h

Fotoana iketrehana azy: 20mn

Akora ilaina

  • 2 oeuf,
  • 250g farine,
  • 1 cuillère à café de sel,
  • 1 cuillère à soupe de sucre,
  • 75 cl d’eau,
  • 2 cuillère à soupe d’huile,
  • oignon,
  • poivre
  • 350g de poulet,
  • coriandre,
  • 100g de beurre,
  • 100g de farine.

 

Fikarakarana Crêpe au poulet à la sauce Bechamel

Pâte pour 15 crêpes eo ho eo: Afangaro ny atody 2, 250g de farine, sel, sucre ,75cl d’eau ary huile. Atao mahazo pâte matsoratsora. Repos 1h fa afaka atao la veille dia ampidirina frigo.

Aminy voaloha ihany no osorana menaka ny lapoaly fa ny ambiny endasina maina sur les deux faces. Tsy atao matevina be isaky ny mandrotsaka fa eraky ny louche.

Ingrédients farce: 350g nofon akoho voatetika madinika, coriandre, oignon, sel et poivre.

Endasina aminy menaka 1 cuillère à soupe ny akoho voatetika madinika. Asiana sel sy poivre. Rehefa ritra tsara nefa tsy mendy dia arotsaka ny oignons voatetika madinika. Rehefa masaka ny oignons dia bataina vao arotsaka ny coriandre tsy ho masaka sy hitazona ny fofony.

Asiana 1 cuillère à soupe feno tsara amin’ilay farce eo afovoan ny crêpe ary akatona toy ny nem mba tsy hipotsaka ny farce (question d’esthétique).

Manomboka eto ny sauce béchamel: empoina sur feu doux 100g de beurre.

Arotsaka ny 100g de farine dia aroina mifangaro tsara ahazoana « roux » (pâte mitambaingana).

Arotsaka tsikelikely ny lait 1l dia aroina au fouet tsy hisy mitambaingana. Avy eo dia arotsaka ny sel sy poivre ary muscade rapée kely fotsiny.

Aroina foana mandra-pangotraka sy matevina ny sauce.

Crêpe au poulet à la sauce Bechamel
Crêpe au poulet à la sauce Bechamel

© Rova Andriantsoa