Misy tsy mbola manana idee atao entree ve? Ito indray ary ny Duo de chou et de pommes au fromage tsotra kely sady vetivety.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 5 mn
Fotoana iketrehana azy : —
Akora ilaina
- chou (laisoa),
- vinaigre,
- sel, sucre,
- oignon,
- pommes (golden),
- fromage dur,
- persil,
- mayonnaise,
- oeufs,
- radis,
- charcuterie (facultatif)
Fikarakarana Duo de chou et de pommes au fromage
- Tetehina manify ny laisoa ary avy hatrany dia lomana vinaigre sy sel sy sucre kely ary oignon.
- Mandra-pilonan’ny laisoa, samy tetehina « en dés » ny paoma golden sy fromage dur dia afangaro amin’ny laisoa. Afaka asiana persil.
- Rehefa hihinana dia asiana mayonnaise kely. Teto koa dia nasiana oeufs mimosa (oeuf dur, esorina ny tamenany, asiana mayonnaise kely sy sel sy oignon sy persil) ary noravahana radis.
Fanamarihana
- Tranche de charcuterie « en dés » koa azo atao anatsarana ny gout sy ny presentation ary ampisy couleur ny recette.
- Raha sendra mora madilo ny nify amin’ny paoma dia atao ao anaty rano mangotraka dia vetivety dia afaka.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa