Laoka malagasy vita avy amin’ny akoho indray ary: fricassée de poulet aux poivrons.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn
Akora Ilaina
- Akoho
- tomate, oignon, poivre,
- rano, menaka, sira
Fomba fikarakarana Fricassée de poulet aux poivrons
- Asiana sel sy poivre ny akoho dia endasina mendy.
- Manao sauce tomate ary oignon. Arotsaka ny poivron voatetika vaventiventy. Tsy atao masaka be.
- Arotsaka ny akoho mendy, asiana rano kely sy sira kely. Avela hangotraka dia vita.
Fanamarihana
Raha poulet gasy no ampiasaina dia aleo andrahoina halemy aloha dia rehefa ritra vao asiana menaka ho mendy.

Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.