Recette maivamaivana indray, mety tsara ho an’ireo mpanao regime. Recette de Salade composée malagasy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 10 mn
Akora ilaina
- Carottes,
- concombre,
- poivrons,
- tomates,
- fromage dur,
- huile, sel,
- vinaigre,
- citron,
- oignon.
Fikarakarana salade composée malagasy
- Tetehina en diagonale ny carottes dia andrahoina à la vapeur na amin’ny rano kely, tsy atao malemy be.
- Avy eo Tetehina koa ny concombre sy poivron ary tomate.
- Tetehina lavalava ny fromage dur.
- Manao sauce vinaigrette: huile kely sy vinaigre na jus de citron sy sel sy huile ary oignon.
- Afangaro dia vita. Azo hoanina tsara en grande quantité.
Mazotoa homana
© Rova Andriantsoa