Boulette asiatique na boulette de viande chinoise avec du tsock au poulet no atolotra anareo androany.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 1h40 min
Fotoana iketrehana azy : 30 min
Akora ilaina
- Huile,
- 1 kg de riz,
- 100g de salade,
- 1 kg de poulet, ne pas jeter les os,
- sel,
- gingembre,
- 250 g de viande,
- 2 cuillère à soupe de fécule de manioc,
- 1 oeuf,
- un peu de sucre,
- 1 cuillère à soupe de sauce soja,
- célérie,
- poivre.

Fikarakarana boulette de viande chinoise et tsock au poulet
Lomana rano mandifotra azy sy huile kely mandritry ny 4h ny vary. Diovina ny salade.
Tenehina 1h30 ny taolan akoho sy sel sy gingembre. Rehefa vita ny 1h30 esorina ny taolana ary arotsaka ny vary dia avela ho masaka sy potika tanteraka. Aroina matetika tsy hiraikitra.
Boulette de viande chinoise: Miara mixer-na ny nofo-kena 250g sy 2 cuillères à soupe de fécule de manioc sy 1 oeuf,sel, sucre kely, céléri kely, poivre ary 1 cuillère à soupe de sauce soja. Avy eo atao boulettes amin ny sotrokely 2 fa miraikidraikitra.
Arotsaka ao anaty rano mangotraka ny boulettes ary esorina rehefa mitsingevana.
Endasina kely ny boulettes sy ny nofon akoho voatetika lavalava madinika nasiana sel sy poivre.
Arotsaka anaty vary efa masaka sy potika ny boulettes sy akoho sy salade voatetika dia azo aroso.

© Rova Andriantsoa.