Gâteau moelleux à la fraise

Gâteau moelleux a la fraiseMafotaka ny fitadiavana gouter fa vacances ny mpianatra. Gâteau moelleux à la fraise na à la banane no vita.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 20 mn

Fotoana hiketrehana azy: 90mn

Akora ilaina

  • 4 oeufs
  • 150g de sucre
  • 20cl de crème
  • 150g de farine
  • Huile, Pate,
  • Fraise, Banane

Fomba fikarakarana gâteau moelleux à la fraise

  1. Kapohana ho mousseux ny 4 oeufs sy ny 150g de sucre.
  2. Arotsaka ny 20cl de crème liquide (Hopla sucre no ntaoko teto) dia  kapohana any eo.
  3. Arotsaka ny 150g de farine dia afangaro.
  4. Osorana huile sy fafazana farine ny moule roa.
  5. Samy asiana pate dia alahatra ny fraises ho an’ny iray ary bananes ho an’ny iray.
  6. Saromana ambina pâte avy eo.
  7. Cuisson à la vapeur mandritra ny 45mn avy izy roa.

Fanamarihana

  • Cuisson a la vapeur asiana rano mangotraka ao ambany dia apetraka ambony passoire ny moule raha mampiasa rice–cooker.
  • Fa raha vilany dia asio kapoaka ipetrahan’ny moule, izany hoe tsy atao mikasika rano ny moule.
  • Farine de blé 150g soit 6 càs no farine nampiasaina fa afaka mampiasa farine hafa ihany koa.

Mazotoa homana!

 

Jereo ihany koa:

Gateau à la fraise fait maison

Gateau de maïs à la banane

© Rova Andriantsoa