Fikarakarana Chayotte farcie façon gratin amin’ny fomba nahandro malagasy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 30 mn
Akora ilaina
- 4 chayotte (ou Chouchoute ou saosety),
- chair à saucisse,
- 1 ail,
- 1 oignon,
- thym,
- poivre,
- sel,
- farce (viande boeuf ou viande de porc ou viande de poulet),
- fromage
- riz ou pain (facultatif)
Fikarakarana Chayotte farcie façon gratin
- Rehefa voavaofy ny saosety dia zaraina 2 amin’ny halavany, esorina amin’ny sotrokely ny nofony.
- Tetehina madinika ny nofon’ny saosety, afangaro chair a saucisse sy ail sy oignon sy thym sy poivre sy sel.
- Osorana sel ny atin’ny saosety vao asiana farce (somary matatso mantsy ny saosety).
- Afanaina ny menaka, alahatra ny saosety (ny ahy teto nisy ambiny ny farce ka natao lafika). Asiana rano dia avela hiketrika. Tsy avela halemy be ny saosety.
- Rehefa ritra sy antonony ny halemin’ny saosety, rarahana fromage rape dia saromana hitsonika tsara. Tsara aroso avy hatrany, azo hinanana vary na mofo.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa