Saosety sy Totom-boanjo

Na dia voky mofo makasaoka sy mofo baolina aza dia tena mbola nazoto homany ihany satria Saosety sy Totom-boanjo ny laoka. Ela tsy nihinana mantsy.  Mety ho an’ny vehivavy mampinono ihany koa ity laoka ity fa maha-be ronono ho an’ny zazakely.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 30 mn

 

Akora ilaina

 

  • Chayote (saosety),
  • tomate, oignon, eau,
  • sel, poivre,
  • ail
  • arachide (voanjo)
Saosety sy Totom-boanjo
Saosety sy Totom-boanjo

Fikarakarana Saosety sy Totom-boanjo

 

  1. Zaraina roa amin’ny halavany ny saosety dia lomana rano 5 mn vao voasana hialan’ny ditiny. Avy eo tetehina « en dés ».
  2. Manao sauce tomate sy oignon. Eto dia tsy asiana menaka fa ny ranom-boatabia no nanamasahana ny sauce ary ny voanjo efa mahasolo menaka.
    Arotsaka ny saosety sy rano mahamasaka azy sy sel ary poivre.
  3. Rehefa masamasaka dia arotsaka ny toto-boanjo sy ail kely. Mety daholo na voanjo manta na masaka.
  4. Avela hiketrika 5mn, tsy avela hiraikitra fa atao ketsaketsa.

Mazotoa homana!

Saosety sy voanjo
Saosety sy voanjo

©Rova Andriantsoa