Iza no tia vily sauce? Hoan’izay tsy mahafantatra dia anaran-kazandrano kely madinika ny vily, toy ireny pirina ireny ny paoziny.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn
Akora Ilaina
- Vily,
- sira, menaka,
- Voatabia sy tongolo.
Fomba fikarakarana vily sauce
- Lomana rano matimaty ny vily mba hintsana ny fasika. Sivanina ary averina in-3 izany.
- Endasina amin’ny menaka mafana hikarepoka, avy eo asiana sira.
- Arotsaka ny voatabia sy tongolo dia avela ho potika.
Fanamarihana
- Hoanina amin’ny vary sosoa hariva no tena mampatsiro azy.
- Azo endasina fotsiny koa, zany hoe tsy asiana voatabia sy tongolo.

Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.