Indro atolotra anareo anio ny fomba fikarakarana vary amin’anana ravin-tsalady sy saucisse. Mitovitovy amin’ny vary amin’anana sy kitoza ihany no fanaovana azy ka dia mazotoa mamerina ary.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 5 mn
Akora Ilaina
- Tongolo oignons,
- Patsa mena,
- Vary,
- Sira, rano,
- salady,
- Coriandre,
- Saucisse.
Fomba fikarakarana vary amin’anana ravin-tsalady sy saucisse
- Endasina ny tongolo oignons. Arotsaka ny patsa mena ary avela ho mendimendy.
- Arotsaka ny vary sy sira sy rano mahamasaka azy.
- Rehefa handroso azy vao arotsaka ny ravin-tsalady voatetika sy coriandre ary saucisse efa masaka raha tiana.

Fanamarihana
Ity misy toro-hevitra ra toa ka somary may ilay saucisse natono: asiana sakay dia tsy heno intsouny ilay tsiron’ny may.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.